<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P. Nilsen-Lund</author>
<hymn_number>549</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jesosy no asandratro,
 Fa Izy no Mpanavotro,
 Ny tanany nanafaka
 Ny aiko tao an-davaka ;
 Ny rafiko ho ketraka,
 Izaho afa-kenatra,
 Fa manana ny Tompoko,
 Izay mandako sy aroko :
 Ry foko ô ! ankalazao
 Jesosy, Izay Mpamonjinao.

[V2]
 Ny tsiron'ny fiainana
 Andramako sahady re,
 Fa efa mby an-tanana
 Ny famonjena lehibe ;
 Ny ranon'aina azoko,
 Ny mofon'aina haniko,
 Sakafo mahatanjaka,
 Mamelona ny reraka ; :
 Ry foko ô ! ..sns.

[V3]
 Ny rany no anjarako,
 Ny ainy no fananako ;
 Ny lanitra ho lovako,
 Ny tany dia hilaozako
 Ny ota tsy hanaraka
 Ny ady dia hitsahatra
 Ny aloka ho tapitra,
 Fa ao no tena zavatra ;
 Ry foko ô ! ..sns.

[V4]
 Ny hanitry ny lanitra
 Mamerovero fatratra ;
 Ny hiran'ny voavotra
 Manatsika ahy hiakatra
 Ny tavan'ny Mpamonjiko
 No tsijon'ny fanahiko,
 Ny tavany manafaka
 Ny aizina ao anatiko ;
 Ry foko ô ! ..sns.

[V5]
 Ny masoko mibanjina
 Tahaka ny mpiambina,
 Maniry ny Mpamonjiko
 Ho tafahaona amiko,
 Izaho hovimbininy
 Hipetraka ao anilany,
 Hanao ny hiran-danitra
 Sy honina finaritra :
 Ry foko ô ! ..sns.</lyrics>
<title>Jesosy no asandratro FFPM549</title>
</song>